Mitsikia

18 09 2008

Mitsikia ! Miràna endrika !
      K’aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
      ao anatinao, ry foko ! Pero aza ny fisento
      tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
Hatanjaho tsy ho rendrika !

F’efa hatrany am-piandohana
      no nazava taminao fa ny volana handalo
      ary hanintsana ny felany aorian’ny famololony ;
      ny lohataona dia ho lasa … ny valiha hitsaha-kalo,
      ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony :
Tsiro manam-piafarana.

Ny fahendrena ve ? Fantaro !
      Minia mitsiky raha ory, minia mifaly raha tomany.
      Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
      fa hanjary “perla” izy, toy ny fasika mavàny
Ny toloko, atsaharo !

Rado



Hello world!

20 08 2008

Welcome to Blaogin’ny Namana Serasera. This is your first post. Edit or delete it, then start blogging!