Warning: getimagesize(): Filename cannot be empty in /home/blaogyorg/public_html/wp-content/plugins/wp-open-graph/output.class.php on line 306

Mitsikia

18 09 2008

Mitsikia ! Miràna endrika !
      K’aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
      ao anatinao, ry foko ! Pero aza ny fisento
      tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
Hatanjaho tsy ho rendrika !

F’efa hatrany am-piandohana
      no nazava taminao fa ny volana handalo
      ary hanintsana ny felany aorian’ny famololony ;
      ny lohataona dia ho lasa … ny valiha hitsaha-kalo,
      ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony :
Tsiro manam-piafarana.

Ny fahendrena ve ? Fantaro !
      Minia mitsiky raha ory, minia mifaly raha tomany.
      Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
      fa hanjary “perla” izy, toy ny fasika mavàny
Ny toloko, atsaharo !

Rado


Actions

Informations

3 responses to “Mitsikia”

22 09 2008
finoanaranoray finoanaranoray (07:56:57) :

raha mbola misy tsiky…

23 09 2008
gasytafasiry gasytafasiry (08:31:49) :

“….Minia mitsiky raha ory, minia mifaly raha tomany.
Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra…”

Misy hafatra matotra noho izany marina v.

15 05 2014
admin admin (10:37:52) :

hihihi,

Tamin’ny 6 taona lasa :-p

Leave a comment

You can use these tags : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <s> <strike> <strong>