Mitsikia

18 09 2008

Mitsikia ! Miràna endrika !
      K’aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
      ao anatinao, ry foko ! Pero aza ny fisento
      tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
Hatanjaho tsy ho rendrika !

F’efa hatrany am-piandohana
      no nazava taminao fa ny volana handalo
      ary hanintsana ny felany aorian’ny famololony ;
      ny lohataona dia ho lasa … ny valiha hitsaha-kalo,
      ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony :
Tsiro manam-piafarana.

Ny fahendrena ve ? Fantaro !
      Minia mitsiky raha ory, minia mifaly raha tomany.
      Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
      fa hanjary “perla” izy, toy ny fasika mavàny
Ny toloko, atsaharo !

Rado



Hello world!

20 08 2008

Welcome to Blaogin’ny Namana Serasera. This is your first post. Edit or delete it, then start blogging!






Bad Behavior has blocked 23 access attempts in the last 7 days.